John 8

1(Fanamarihana: Jereo ny fanamarihana momban’i Jaona 7: 53-8: 11etsy ambony) Nankany an-tendrombohitr’i Oliva Jesosy. 2Vao maraina dia nakeny an-tempoly indray Izy, ary ny olona rehetra nanatona Azy; nipetraka Izy ary nampianatra azy ireo. 3Ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo dia nitondra vehivavy iray tratra nijangajanga. Napetrak’izy ireo teo afovoany izy.

4(Fanamarihana: Jereo ny fanamarihana momban’i Jaona 7: 53-8: 11 etsy ambony) Avy eo hoy izy ireo taminy hoe: “Ry mpampianatra ô, ity vehivavy ity dia tratra teo am-pijangajangana. 5Ary ao amin’ny lalàna, Mosesy nibaiko anay mba hitora-bato ny olona tahaka izany; inona no ambaranao momba azy?” 6Nolazain’izy ireo hamandrihana Azy fotsiny anefa izany mba afahan’izy ireo manameloka Azy, fa Jesosy kosa niondrika ary nanoratra tamin’ny tany tamin’ny ratsan-tanany.

7(Fanamarihana: Jereo ny fanamarihana momban’i Jaona 7: 53-8: 11 etsy ambony) Rehefa nametraka fanontaniana taminy hatrany izy ireo, dia nitsangana Izy ka niteny azy ireo hoe: “Izay tsy nanota taminareo, aoka izy no hitora-bato azy voalohany.” 8Dia niondrika indray Izy, ary nanoratra tamin’ny tany tamin’ny ratsan-tanany.

9(Fanamarihana: Jereo ny fanamarihana momban’i Jaona 7: 53-8: 11 etsy ambony) Rehefa nandre izany izy ireo, dia niala tsirairay, nanomboka tamin’ny zokiny indrindra. Ary ny farany dia Jesosy irery ihany sisa no tavela teo, niaraka tamin’ilay vehivavy izay teo afovoany. 10Nitsangana Jesosy ka nilaza taminy hoe: “Ravehivavy, fa lasa aiza ireo mpanameloka anao? Tsy misy manameloka anao ve?” 11Hoy izy hoe: “Tsy misy, Tompoko.” Ary hoy Jesosy hoe: “Tsy manameloka anao Aho. Mandehana ary aza manota intsony.”]

12Niteny tamin’izy ireo indray Jesosy, manao hoe: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy dia tsy handeha amin’ny haizina fa hanana ny fahazavan’ny fiainana.” 13Hoy ireo fariseo taminy hoe: “Ianao dia manambara ny tenanao; tsy marina ny fanambaranao.”

14Jesosy namaly ka nanao tamin’izy ireo hoe: “Na dia manambara ny tenako aza Aho, dia marina ny fanambarako. Fantatro ny nihaviako sy ny lalana alehako, fa ianareo kosa tsy mahafantatra izay nihaviako na izay alehako. 15Ianareo dia mitsara araky ny nofo; fa Izaho tsy mitsara na iza na iza. 16Na dia mitsara aza Aho; dia marina ny fitsarako satria tsy irery Aho, fa miaraka amin’ny Ray izay naniraka Ahy.

17Eny, ary ao amin’ny lalànareo dia voasoratra fa marina ny fijoroan’ny olon-droa vavolombelona. 18Izaho no manambara ny tenako, ary ny Ray izay naniraka Ahy ihany koa dia manambara Ahy.”

19Hoy izy ireo taminy hoe: “Aiza ny rainao?” Jesosy namaly hoe: “Tsy fantatrareo na Izaho na ny Raiko; raha nahafantatra Ahy ianareo, dia mahafantatra ny Raiko ihany koa.” 20Teo akaikin’ny fandatsahan-drakitra Izy no nilaza izany teny izany raha iny Izy nampianatra teo amin’ny tempoly iny, ary tsy nisy nisambotra Azy satria tsy mbola tonga ny orany.

21Ary hoy indray Izy tamin’izy ireo hoe: “Andeha Aho; hitady Ahy ianareo ary ho faty amin’ny fahotanareo. Izay alehako, dia tsy ho azonareo haleha.” 22Hoy ireo Jiosy hoe: “Hamono tena ve Izy? Izany ve no antony nilazany hoe: ‘Izay alehako, dia tsy azonareo haleha’?”

23Hoy Jesosy tamin’izy ireo hoe: “Avy ety ambany ianareo; Izaho kosa avy any ambony. Avy amin’izao tontolo izao ianareo; fa Izaho tsy avy amin’izao tontolo izao. 24Noho izany, nambarako taminareo fa ho faty ao amin’ny fahotanareo ianareo. Fa raha tsy mino ianareo fa IZAHO NO IZY, dia ho faty amin’ny fahotanareo ianareo.”

25Noho izany dia hoy izy ireo taminy hoe: “Iza moa Ianao?” Hoy Jesosy tamin’izy ireo hoe: “Araka izay voalazako taminareo hatrany am-boalohany. 26Manana zavatra betsaka ho lazaina sy hitsaràna momba anareo Aho. kanefa, Izy izay naniraka Ahy dia marina; ary ireo zavatra izay reko avy taminy, dia hambarako amin’izao tontolo izao.” 27Tsy azon’izy ireo anefa fa Izy dia niresaka tamin’izy ireo momba ny Ray.

28Hoy Jesosy hoe: “Rehefa asandratrareo ny Zanak’Olona, dia ho fantatrareo fa izaho no IZY, ary tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho. Araka ny nampianarin’ny Ray Ahy, no hilazako ireo zavatra ireo. 29Izy izay naniraka Ahy dia miaraka amiko, ary tsy namela Ahy ho irery Izy, noho Izaho manao izay ankasitrahany mandrakariva.” 30Raha nilaza ireo zavatra ireo Jesosy, dia betsaka no nino Azy.

31Jesosy niteny tamin’ireo Jiosy izay nino Azy hoe: ‘’Raha mitoetra amin’ny teniko ianareo, dia ho tena mpianatro; 32ary ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo.‘’ 33Ary izy ireo namaly Azy hoe: ‘‘Taranak’i Abrahama izahay ary tsy mbola nandevozin’iza na iza hatrizay; koa ahoana no hilazanao hoe: ‘Ho afaka ianareo’?”

34Jesosy namaly azy ireo hoe: “Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, fa ireo izay manota dia andevon’ny ota. 35Ny andevo dia tsy mitoetra ao an-trano mandrakizay; fa ny zanaka no mitoetra mandrakizay. 36Noho izany, raha ny Zanaka no manafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.

37Fantatro fa taranak’i Abrahama ianareo; mitady izay hahafaty Ahy satria tsy manana toerana ao aminareo ny teniko. 38Milaza izay hitako niaraka tamin’ny Raiko Aho, ary ianareo koa manao izay renareo tamin’ny rainareo.”

39Namaly izy ireo ka nilaza taminy hoe: “Abrahama no rainay.” Jesosy niteny azy ireo hoe: “Raha zanak’i Abrahama ianareo, dia hanao ny asan’i Abrahama. 40Kanefa, ankehitriny ianareo mitady hamono Ahy, izay lehilahy nilaza taminareo ny marina izay reko tamin’Andriamanitra. Abrahama tsy nanao izany. 41Ianareo dia manao ny asan’ny rainareo.” Hoy izy ireo taminy hoe: “Tsy teraka tamin’ny fijangajangana izahay; iray ihany ny Rainay: dia Andriamanitra.”

42Jesosy niteny azy ireo hoe: “Raha Andriamaitra no rainareo, dia tokony ho tia Ahy ianareo, satria avy tamin’Andriamanitra no nivoahako sy nandehanako aty; fa tsy tonga ho azy Aho, fa Izy no naniraka Ahy. 43Nahoana no tsy azonareo ny teniko? Izany dia satria tsy afaka hanaiky ny teniko ianareo. 44Avy amin’ny rainareo ianareo, ilay devoly, ary ny tianareo atao dia ny filàna izay nataon’ny rainareo. Mpamono olona hatramin’izay izy ary tsy mijoro amin’ny fahamarinana satria tsy misy marina ao aminy. Rehefa mandainga Izy, dia ny toetra fanaony ihany no lazainy satria mpandainga Izy ary rain’ny lainga.

45kanefa, satria milaza ny marina Aho, dia tsy mino Ahy ianareo. 46Iza aminareo no manameloka Ahy amin’ny fahotana? Raha milaza ny marina Aho, nahoana no tsy hinoanareo? 47Izay avy amin’Andriamanitra dia mandre ny tenin’ Andriamanitra; tsy mandre izany ianareo satria tsy avy amin’Andriamanaitra.”

48Namaly ireo Jiosy ka niteny taminy hoe: “Moa ve tsy milaza ny marina izahay fa Samaritana Ianao ary misy demonia?” 49Jesosy namaly hoe: “Tsy misy demonia aho, fa manome voninahitra ny Raiko, ary ianareo tsy manome voninahitra Ahy.

50Tsy mitady ny voninahitro Aho; misy iray mitady sy mitsara. 51Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, fa raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hahita fahafatesana mandrakizay izy.”

52Hoy ireo jiosy taminy hoe: “Ankehitriny fantatray fa manana demonia Ianao. Efa maty Abrahama sy ireo mpaminany; kanefa ianao milaza hoe: ‘Raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hahita fahafatesana mandrakizay izy.’ 53Tsy lehibe noho ny rainay Abrahama izay efa maty Ianao, sa ve lehibe? Ireo mpaminany ihany koa dia maty. Manao ny tenanao ho Iza moa Ianao?”

54Jesosy namaly hoe: “Raha mankalaza ny tenako Aho, dia ho tsinotsinona ny voninahitro; ny Raiko izay ataonareo ho Andriamanitra no mankalaza Ahy. 55Tsy fantatrareo Izy, fa Izaho mahafantatra Azy. Raha milaza Aho hoe: ‘Tsy mahafantatra Azy Aho,’ dia ho tahaka anareo, mpandainga. Kanefa, fantatro Izy ka mitandrina ny teniny Aho. 56Ny rainareo dia nifaly nahita ny androko; nahita izany izy dia faly.”

57Hoy ireo Jiosy taminy hoe: “Mbola tsy misy dimampolo taona akory Ianao, ka dia ho efa nahita an’i Abrahama ve?” 58Ary hoy Jesosy tamin’izy ireo hoe: “Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, talohan’ny nahaterahan’i Abrahama, dia Izaho no Izy.” Avy eo dia naka vato hatoraka Azy izy ireo, fa Jesosy kosa niery ka nivoaka ny tempoly.

59

Copyright information for PltULB